Mionòna, mionòna

Mionòna, mionòna, ry vahoaka mamiko. (Iz. 40, 1)

1 Tapitra eo ny fanompoana, fa voaonitra ny ota.

2 Indro tonga ny Mpamonjy, mba hamaly soa anao.

3 Momba anao ny fitahiako: tsy hihontsona ianao.

4 Andriamanitra Mahery tsy mivadibadika aho.

5 Halaviro 'zany tahotra, ry olo-nofidiko.

6 Ny anaranao nantsoiko, ka izaho no itokio.

7 Raha mamaky ony ianao tsy ho rendriky ny rano.

8 Hovoriko avokoa ireo taranakao miely.

Nampiditra Belle
Sokajy Fiaviana
Ankalazao ny Tompo p. 310
Fihirana Hasina p. 57
Fihirana Vaovao p. 8
Vavaka sy Hira p. 403
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557