Andriamanitra ô, mba omeo anay ny Fanahinao mpanamasina

Andriamanitra ô, mba omeo anay )
Ny Fanahinao Mpanamasina.         ) (indroa)

1 Ny tany sy ny lanitra eny ambony
 Mitory ny fitiavanao anay:
 'Zahay koa miezaka isan'andro
 Ho zanakao sy reharehanao.

2 Ny Zanaka malalanao indrindra,
 I Jesoa no foto-boaloboka e:
 Ny rantsany, izahay mino azy,
 Velominy ka manantena anao.

3 Ny hevitra sy lahatrao, ry Ray ô,
 Hamory anay rehetra zanakao:
 Ho sambatra fa eo anilanao e,
 Ka mianatra mifankatia 'zahay.

4 I Jesoa no Filoha sy Mpamonjy,
 Ny ataony anie no ianaranay:
 Mivavaka sy mahafoy ny aina,
 Hamelona an'izao tontolo izao.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Dera p. 305
Fihirana Hasina p. 47
Fihirana Vaovao p. 158
Vavaka sy Hira p. 496
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093