Fa tany am-boalohany

1. Fa tany am-boalohany,
   Fony Andriamanitra nahary antsika
   Hitovy endrika aminy,
   Tiany mba hiadam-pinaritra isika,
   Ka izy nanomana
   Fianakaviana hahasambatra antsika.
 
2. Fa tany am-boalohany
   Fony Andriamanitra nandray antsika
   Hitondra ny anarany,
   Tiany ho vahoakany masina isika,
   Ka izy nanomana
   Fianakaviana hahamasina antsika.
 
3. Dia nony andro farany,
   Fony Andriamanitra namonjy antsika
   Amin'ny fahafatesana,
   Tiany ho zanany marina isika,
   Ka izy nanomana
   Fianakaviana hamelona antsika.
 
4. Ho fara fitiavany,
   Vohain'Andriamanitra handraisany antsika
   Ny fianakaviany,
   Tiany hitovy amin-Janany isika
   Nandray ny Fanahiny:
   Fianakavian'Andriamanitra isika.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 91
Fihirana Hasina p. 19
Fihirana Vaovao p. 331
Vavaka sy Hira p. 459
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087