Andriamanitra indreto ny tananay izay mifandray - Iray vatsy

Andriamanitra indreto ny tananay izay mifandray
Mariky ny fo mifankatia sy finoana iray
Tsy manana heloka an-dolompo toy ny lasa ireny
Fa iray vatsy sy iray aina araky ny teny

Mamy tokoa lahy 'zany dia rehefa tena tia
Fa ny fihavanana ao aminao mampiara-dia e!
Zary fanilo sy famantarana ho an’ny tany,
Miara-midola mifampitosy any an-danitra any

 O, o, o mamy ny tena fitiavana!
Eny e ! 'zany ny tena fitiavana
Mandrakizay ny fitiavanao,                  )
ka ho mandrakizay ny fihavananay e ) (2)
Miara-misotro indray ny kalisy iray    )

Tianay e, maminay e!
Tianay e, ny Fiangonana maminay
Tianay e, maminay e!
Tianay e,tianay ny Fiangonana Reninay!

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Fihirana Hasina p. 529
Fihirana Vaovao p. 213
Karine Dera p. 527
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089