Indro atolotray aminao, ry Tompo

1- Indro atolotray Aminao ry Tompo ô ô,
Ny fanatitra avy aminay e.
Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô
Fa tantely tapa-bata e.
Ny fiainanay , eny re, tsy takona afenina Aminao
Ny adim-piainanay, eny re, hitanao ry Zanahary
Ka dia entinay tsisy afeninay,
Eo an-tananao re ry Ray ô
Zay mba vitanay, ny hasasaranay
Enti-misaotra Anao re ry Tompo ô.
Indro atolotray re ry Ray ô
Raiso eo an-tananao izy ireto
Aza ny hakelezany Ray ô
Fa ny fitiavana asandratray e e! Eny re!
 
Amin-karavoana no anolorana azy
Amin-karavoana tokoa tokoa no anolorana azy
Amin-kafaliana, sy amim-pitsikiana
Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana no anolorana azy
 
2-  Indro atolotray Aminao ry Tompo ô ô,
Ny fanatitra avy aminay e.
Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô
Fa tantely tapa-bata e.
Io ny tenanay, eny re, tsy takona afenina Aminao
Io ny otanay, eny re, hitanao ry Zanahary
Ka dia entinay tsisy afeninay,
Eo an-tananao re ry Ray ô
Zay mba vitanay, ny hasasaranay
Enti-misaotra Anao re ry Tompo ô.
Indro atolotray re ry Ray ô
Sorona lavorarin’i Jesoa
Vatana alatsa-dra re ry Ray ô
Sorom-pitiavana iainanay e e! Eny re!

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 768
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241