Voninahitra ho an’ny Ray be fitiavana

Voninahitra ho an’ny Ray be fitiavana
Izay nampihavana antsika tao amin’ny Zanany
Voninahitra ho an’ny Fanahy loharanon’aina!
Voninahitra ho Azy any an-tampon’ny lanitra;
Fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany
Fa nanehoan’ny Ray ny indrafony mandrakizay

1-  Tanteraka ankehitriny ny fikasany e
     Dia indro àry ny olombelona fa nasandrany
     Hitovy endrika amin’ilay Zanany e
     Ilay teny tonga nofo tety an-tany

2-  Voafidin’Izy Ray i Maria Virjiny e,
     Hiteraka ny lahimatoany tsy misy tsiny e;
     Santariny ny fiterahany antsika zanany e
     Ao amin’ny Fanahy sy ny Fiangonany

3- Jesoa no manala ny fahotan’ny olona
     Zanak’Ondrin’Andriamanitra natao sorona e;
     Izany no mampiharihary ny indrafon’ny Ray
     Nampihavana antsika indray ao amin’ny Zanany

4- Tolory voninahitra i Jesoa ilay Masina e,
     Noho Izy nandala hatrany ny Fanahy Masina e,
     Nasandratry ny Ray ho Tompo sy Avo indrindra,
     Hamondrona, hampihavana izao rehetra izao.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Fihirana Hasina p. 802
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096