Voninahitra, ho anao ry Andriamanitra ô - fiadanana ho an'ny olona tsara sitra-po

Fiv:
Voninahitra, voninahitra ho anao ry Andriamanitra ô
Fiadanana, fiadanana ho an'ny olona tsara sitra-po

1. Midera sy mankalaza anao 'zahay
Ry Tompo Andriamanitra o
Mitsaoka sy mihoby anao 'zahay
Misaotra anao izahay.

2.  Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra o,
Ry Tompo Andriamanitra o,
Manala ny fahotan'ny olona,
Afaho ny helokay.

3. Ianao irery no avo indrindra
Ry Tompo Andriamanitra o,
Ny haja sy ny voninahitra
Ho anao mandrakizay 

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Fihirana Dera p. 262
Fihirana Hasina p. 152
Fihirana Vaovao p. 353
Vavaka sy Hira p. 713
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095