Fitiavana tsy atakalo - Raha noana mitofezaka

1- Raha noana mitofezaka iny aho,
Aniraho olona hotiavina,
Aniraho olona iray aho
Hiandrandra ny indrafoko.
Raha sendra ka mangetaheta aho,
Jesoa Tompon’ny fitiavana,
Aniraho olona iray aho,
Handrosoako ala hetaheta.

Fiv:
Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô !
Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô !
Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô !
Homeko maimaimpoana

2- Raha jihitry ny hatsiaka aho,
Aniraho olona hotiavina,
Aniraho olona iray aho
Tsy manana hirakofana.
Raha tojo ny tsy fisiana aho,
Jesoa, Tompon’ny fitiavana,
Tariho mankany amiko
Ilay zandry fadiranovana.

3- Raha sendra ka mitambesatra,
Ilay Hazo Fijaliako,
Aniraho olona iray aho
Tsy mahazaka ny anjarany.
Raha sendra ny ratra anaty aho,
Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,
Aniraho olona iray aho
Miandry fanasitranana.

4- Raha tonga ny andro hialana sasatra,
Aniraho olona hotiavina,
Aniraho olona iray aho
Hitambezo ny herin-tsandriko.
Raha sendra ka hamavoina aho,
Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,
Aniraho olona iray aho
Hilazako ny hatsarany.

5- Raha trotraky ny hakiviana aho,
Aniraho olona hotiavina,
Aniraho olona iray aho
Hanarenako ny herim-pony.
Raha mila ho tafintohina aho,
Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,
Aniraho olona iray aho
Harovako amin’ny mpanaratsy.

6- Raha jembin’ny fitiavan-tena aho,
Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,
Sariho ny eritreritro
Hibanjina an’Izy Ray.
Naniraka Anao ho tia Izy,
Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,
Hizara hafaliana feno !

Ank. p. 464.

Nampiditra admin
Sokajy Hiran-damesa
Ankalazao ny Tompo p. 464
Fihirana Hasina p. 467
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088