Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny marina

Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny marina
Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo !

1- Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
dia olona afaka lalandava :
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
tsy nety nandefitra ny tsy rariny;
Fa Jesoa Tompo Filohantsika:
dia olona afaka lalandava :
tsy nety nandefitra ny tsy rariny,
ka tsy mba voafatotry ny henamaso !

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohantsika,
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.

2- Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
Nahatafintohina ny vahoaka :
Fa Jesoa Tompo Filohantsika:
satria sahy nanandratra ireo ambany,
Fa Jesoa Tompo Filohantsika:
Nahatafintohina ny vahoaka :
satria sahy nanandratra ireo ambany,
'reo fanosihosin'ny mpiara-belona !

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohantsika,
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.

3- Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
dia nohelohin'ny fitsarana
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
satria sahy nitsipaka izay lalàna
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
dia nohelohin'ny fitsarana
satria sahy nitsipaka izay lalàna
namoritra ny olona tsy ho afaka !

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohantsika,
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.

4- Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
nandidy antsika hifankatia :
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
tsy nety nanaiky ny valifaty,
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
nandidy antsika hifankatia :
tsy nety nanaiky ny valifaty,
nampianatra antsika hifamela heloka !

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohantsika,
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.

5- Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
dia nanambara amin-kasahiana :
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
fa hoe Zanaka tian'ny Ray
Fa Jesoa Tompo Filohantsika,
dia nanambara amin-kasahiana :
fa hoe Zanaka tian'ny Ray
isika olombelona tsy an-kanavaka.

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohantsika,
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.

Nampiditra Bariry
Sokajy Hiran-damesa
Ankalazao ny Tompo p. 244
Fihirana Dera p. 239
Fihirana Hasina p. 43
Fihirana Vaovao p. 242
Vavaka sy Hira p. 690
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0513