E! sambatra ny maso

1 E! sambatra ny maso, sambatra ny maso
 'Zay nahita ilay nirin'ny Mpaminany ela izay!
 Fa vao mainka tena sambatra isika tsy nahita
 Nefa mino 'zany Zaza tany Betlehema izany
 Hampanjaka fiadanana.
 
2 E! sambatra ny maso, sambatra ny maso
 'Zay nahita ny habakabaky ny lanitra nisokatra!
 Fa vao mainka tena sambatra isika tsy nahita
 Nefa mino an'i Jesoa ilay nidinan'ny Fanahy
 Sy milanja ny otantsika.

3 E! sambatra ny maso, sambatra ny maso
 'Zay nahita n'voninahitry ny Tompo tao Kanà!
 Fa vao mainka tena sambatra isika tsy nahita
 Nefa mino ilay nanova ho divay itony rano
 Hampivoatra ny olombelona.
 
4 E! sambatra ny maso, sambatra ny maso
 'Zay nahita an'izy Tompo tafatsangana ho velona!
 Fa vao mainka tena sambatra isika tsy nahita
 Nefa mino, miandry azy hampiseho ny asa marina
 Amin'ny andro hiaviany. 

 

Nampiditra Bariry
Sokajy Hiran-damesa
Ankalazao ny Tompo p. 348
Fihirana Hasina p. 304
Vavaka sy Hira p. 677
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093