Lalina ho ahy, ry Tompo Andriamanitra

Fiv :
Lalina ho ahy, ry Tompo Andriamanitra ô,
Ny hitanisa ny Fitiavanao.
Notsimbininao, ry Tompo, 'zany fahantrako
Fa lalina ho ahy ny Fitiavanao.
Tompo ô, ny androko rehetra afoiko ho Anao,
Tompo ô, fa lalina ho ahy ny Fitiavanao.
 
1 - Mbola tsy niantefa taminao ny antsoko
Dia indro Ianao ry Tompo, manolo-tanana ahy.
Fa avia, hoy Ianao, hanaraka ny diako,
Ny foko ho anao miraki-pitia.
 
2 - Hoy Ianao miteny : Aza mitsikera
Ireny otanao fa sao kivy ianao.
Avia hoy Ianao, avia ho sakaizako
Ny foko ho anao miraiki-pitia.
 
3 - Irony anatrao manjohy ny fanahiko,
Fanilo manazava mitondra fahendrena,
Ny fiainako tontolo no hiaraka Aminao,
Fa lalina ho ahy ny Fitiavanao !
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Hiran-damesa
Fihirana Dera p. 57
Fihirana Hasina p. 21
Fihirana Vaovao p. 407
Vavaka sy Hira p. 464
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0908