Ny Tenin'ny Tompo

Fiv : Ny Tenin'ny Tompo

 

1- Ampionòny ny fon'ny vahoaka :

lazao ao am-pony Jerosalema

fa tapitra ny andron'ny fampahoriana,

ny ota nataony voavela avokoa,

satria fikapohana in-droa miatoana

no efa nataon'ny Tompo azy ireo.

 

2- Injay misy feo manao antso avo :

"Amboary ny làlan-kizoran'ny Tompo :

ny sakelin-dàlan-drehetra ahitsio,

totofy avokoa ireo lohasaha,

ireo tendrombohitra mbamin'ny havoana

ataovy mitovy torosy daholo.

 

3- Hiseho am'izay ny herin'ny Tompo,

dia 'lay voninahiny ambony tokoa,

mba samy hahita an'izany avokoa

ny olon-drehetra na iza na iza.

Ny Tompo mahery no efa niteny.

Ilay Zanahary no efa nivolana !

 

4- Injay misy feo manao hoe : Antsoy !

Dia nisy ny teny namaly an'izany :

"Ahoana ny antso 'zay mety hataoko?"

Ahitra ihany ny nofo rehetra.

Koa tahaka ny vony mamelana an-tsaha

ny hatsaran-tarehiny kanto dia kanto.

 

5- Malazo ny vony, mariry ny ahitra,

rehefa seranin'ny Ain'Izy Tompo.

Dia ahitra ihany ny olo-miaina ;

malazo ny vony, mariry ny ahitra.

Fa tsy mba izany ny Tenin'ny Tompo

fa Teny maharitra mandrakizay.

Nampiditra Bariry
Fihirana Hasina p. 58
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198