Mihelina avokoa

1. Mihelina avokoa
Mandalo vetivety
Izao tontolo izao
Sy ny hareny rehetra  

2. Mihelina avokoa
Ny hoby sy ny laza
Tsy misy tsy ho hadino
'Zay noderaina fahiny  

Ny lanitra no misy 'reo zava-tsoa mateza
Anjara lovansika mandrakizay doria
Ry Jesoa Tomponay mba ento izahay
Hitoetra akaikinao mandrakizay doria  

3. Mihelina avokoa
Ny filibàna rehetra
Poizina manimba nofo
Loza manimba fanahy 

4 . Mihelina avokoa
Ny fahoriana rehetra
Mbamin’ny fahafatesana
'Zay atahorantsika.  

Nampiditra tywa68
Fihirana Dera p. 164
Fihirana Hasina p. 139
Fihirana Vaovao p. 411
Vavaka sy Hira p. 560
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096