Akondro lonjehitra

1. Akondro lonjehitra miondrika an-tany,
   Ny raviny ringitra, vasoky ny andro:
   Nilofika hatramin'ny faran'ny ainy,
   Ny nofony tena sakafo nomeny:
   Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka, i Kristy!

2. Akondro lonjehitra miondrika an-tany,
   Tsy zakan'ny tany fa vokatra loatra;
   Ny vatany itoeran'ny hasin'ny Ray,
   Loharano tsy yritra ipoiran'ny aina:
   Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka, i Kristy!

2. Akondro lonjehitra miondrika an-tany,
   Kapaina hamela solofo alikisa;
   Fa maty nesorina tamin'ny hazo,
   Natsangan'ny Ray mba hamelona antsika:
   Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka, i Kristy!

Nampiditra tywa68
Sokajy Hiran-damesa
Ankalazao ny Tompo p. 472
Fihirana Hasina p. 372
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009