Matoa aho anie toy izao, eny ! matoa aho mbola mijoro

Matoa aho anie toy izao, eny !
Matoa aho mbola mijoro,
Dia noho ianao Tompo ô
Fitiavanao Tompo ô.
Matoa aho anie toy izao, eny !
Matoa aho mbola mijoro,
I Kristy no nanangana ahy,
I Kristy no velona ho ahy.

1. He ‘zany rivo-mahery mitsoaka,
Ny rano manonja tsy haiko tonena ;
He reto fakampanahy manodòka
Majemby ny maso amy fanangolena !
Kanefa …

2. Diso aho fa nony nadio sy voasasa,
Dia nihevitra fa afa-niarina irery ;
Nony voavonjy ka afaka miasa,
Dia nihoby ny tenako hoe manan-kery,
Kanefa …

3. Fantatro, Tompo, fa ny fahoriana,
Tsy eran’ny aina raha mbola eto an-tany.
Ka tsy ny tenako no azo itokiana
F’ianao ‘zay hanangan-ko velona ihany
Satria …

4. ‘Ndeha isika hiara-kidera ny Ray e,
Hisaotra ny Zanaka sy ny Fanahy ;
‘Ndeha hampahafantatra mandrakizay e
Fa sambatra izay manana azy ho mpiahy.
Satria …

Nampiditra tywa68
Sokajy Hiran-damesa
Ankalazao ny Tompo p. 69
Fihirana Dera p. 214
Fihirana Hasina p. 96
Fihirana Vaovao p. 182
Vavaka sy Hira p. 533
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113