'Zany Teninao, ry Tompo, hazavana

1 - 'Zany Teninao, ry Tompo, hazavana
'Zay manilo ny vahoaka mino Anao
Ka manafaka azy hiala anaty haizina
Nandrakotra an'izao tontolo izao.

    Koa enga anie mba hino Anao 'zahay
    Mba handraisanay ny Teninao
    F'Ianao no sitrak'Andriamanitra
    Ho lalam-pamonjena izay hizoranay.

2 - 'Zany Teninao, ry Tompo, tena hery
Itokian'ireo 'zay manantena Anao :
Na ho levona aza izao tontolo izao
Ny Teninao tsy miova fa nandresy Ianao.

    Koa enga anie hatoky Anao 'zahay
    Hitazonanay ny Teninao
    F'Ianao no sitrak'Andriamanitra
    Ho fahamarinana 'zay hianteheranay.

3 - 'Zany Teninao, ry Tompo, tena aina
Iveloman'ny vahoaka tia Anao.
Nositraninao ny rofiny rehetra,
'Reo 'zay nodimandry dia natsanganao.

    Koa enga anie ho tia Anao 'zahay
    Ho sakafonay ny Teninao
    F'Ianao no sitrak'Andriamanitra
    Ho Aina ivelomanay mandrakizay.

Nampiditra pissoa
Ankalazao ny Tompo p. 116
Fihirana Dera p. 191
Fihirana Hasina p. 154
Fihirana Vaovao p. 437
Vavaka sy Hira p. 497
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0635