Ho enin-kasina ianareo e, ho enin-kavelomana

Ho enin-kasina ianareo e,
Ho enin-kavelomana!
Kristy arahinareo e:
Kristy nitsangan-ko velona (indroa)

1- Kristy no Lalana, Kristy no Marina
Kristy no Aina, Kristy no Masina.

2- Nirahin’ny Ray tety an-tany ianao e, Kristy ô
Nijaly sy maty hamonjy anay ianao e, Kristy ô
Nitsangan-ko velona am-boninahitra ianao e, Kristy ô
Eo an-kavanan’Andriamanitra ianao e, Kristy ô

3- Ny fijaliana, ny fahafatesana
Ho resinay, herezinao

4- Fa nanome ny Fanahy Masina ianao e, Kristy ô
Eto am-povoan’ny mpianatra ianao e, Kristy ô
Mamelombelona ny Fiangonana ianao e, Kristy ô
Mbola ho avy hiantso anay ianao e, Kristy ô

5- Ka voninahitra ho anao, ry Ray ô,
Ho an’ny Zanaka sy ny Fanahy.

 

 

Nampiditra sonwin
Sokajy Hiran-damesa
Fihirana Hasina p. 489
Vavaka sy Hira p. 786
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094