Ahiratray ny masonay

Ahiratray e, ny masonay
Hifantoka aminao,
Asandratray e ny masonay
Mitady anao Andriamanitra ô.
Velarinay e ny tananay,
Miandry vonjy
Avy aminao Andriamanitra.


1. Fa izao tany izao, rako-java-mahasondriana ;
Raikitra eo ny masonay, manadinodino anao.
 
2. Tsy ho satrinay ve ny hifanatrika aminao :
Nefa he, ny fijerinay feno tebiteby lava.
 
3. Ampianaro izahay mba hahita anao Mpahary
Amin-java-nohariana taratry ny endrikao.

Nampiditra tywa68
Sokajy Hiran-damesa
Fihirana Dera p. 46
Fihirana Hasina p. 93
Fihirana Vaovao p. 384
Vavaka sy Hira p. 474
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088