Kristy velona, Kristy Zanaka

Kristy velona, Kristy Zanaka,
no arahintsika, fa Mpamonjy antsika.
Izy no fiainana.

1- Raha te-ho velona, aoka hanatona Azy
I Kristy no Aina velona ao amin'ny Ray.

2- Raha te-hifankatia, aoka hanatona Azy
I Kristy no Zoky samy Zanaky ny Ray.

3- Raha te-ho sambatra, aoka hanatona Azy
I Kristy no Làlana miakatra ao an-danitra ao.

4- Raha te-ho masina, aoka hanatona Azy
I Kristy no Hery, Azy izao Tontolo izao

Nampiditra Bariry
Sokajy Fidirana - Paka
Ankalazao ny Tompo p. 261
Fihirana Dera p. 180
Fihirana Hasina p. 33
Fihirana Vaovao p. 294
Vavaka sy Hira p. 695
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0943