Mesia sy Mpamonjy

Mesia sy Mpamonjy,
Tongava faingana aminay,
Hitondra ny fiainana : avia, avia re.

1. Ataovy maika ny dianao,
    Hamonjy ny firenenay
    Miandry hovotsoranao.

2. Esory re ny helokay ;
    'Zahay mibebaka aminao,
    Milela-paladia anao.

3. Tapahonao ny gadra vy
    Famelin'i Satàna anay,
    Mijaly be ny taninay.

4. Avia re, ry Tomponay,
    Fiainanay sy lalanay
    nandrasanay zay ela izay.

5. Efa renao ny hafatray,
    Ka ataovy raisinay indray
    ny lova lasa taminay.

Nampiditra tywa68
Sokajy Fiaviana - Fidirana
Fihirana Dera p. 102
Fihirana Hasina p. 56
Fihirana Vaovao p. 383
Vavaka sy Hira p. 660
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025