Teraka anio mba hanavotra antsika

Teraka anio mba hanavotra antsika i e,
'Lay tena Mpanjaka sy Tompo tsitoha iô.
Misaora azy indrindra, samia mba midera ie,
Fa ny lapan'ny lanitra izao no mivoha iô.

1. Bozaka kely sy vilona foana i e 
No solon-kidoro nataony fandriana iô. (indroa)

2. Biby miraoka no indreo mba mijery i e,
Manotrona 'lay Zazakely tomany iô. (indroa)

3. Biby mihoraka va re izany ie
Manaitra an'ilay zazakely matory iô. (indroa)

4. Ny feon'anjely manerana an-tany ie,
Manerana izao sasakalina izao iô. (indroa)

5. Noely malaza manaitra ny saina ie,
Midina aty mba hamonjy ny aina iô. (indroa)

6. Ny trano madio dia tsy mba nahoany ie,
F'ilay tranon'omby no trano nofidiny iô. (indroa)

7. Hampianatra antsika ny fanetren-tena ie
Hizorantsika amin'ilay paradisa iô. (indroa)

Nampiditra tywa68
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 300
Fihirana Hasina p. 65
Fihirana Vaovao p. 471
Vavaka sy Hira p. 666
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104