Eny, ho'aho, ry Tompo, atolotray Anao e

Eny, ho' aho, ry Tompo, )
Atolotray anao                  )
'Zay mba kely vitanay e )
Ety an-tany ety                 )(indroa)
 

1.Vonin-tenina maivana ihany e
No fanatitra mba entinay,
Fo miezaka ho tia anao, Tompo ô,
No anampy sy atolotra anao. 

 2. Antonona anay mpanome izy ireo
Fa tsy mendrika ny voninahitrao ;
Ireo anefa no azo natao, Tompo ô,
Ka mba raiso raha sitrakao. 

 3. Tebiteby mameno ny saina e,
Ny kilema no be ao anaty :
Mba levony amin’ny fitiavanao, Tompo ô,
Ho fanatitra mendrika anao. 

 4. Ireo fanatitra dorana, Tompo ô,
Tsy ekena homena ny Ray
Fa ny hasin’ny Tenanao kosa e,
No sorona mendrika indrindra.  

Nampiditra tywa68
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 77
Fihirana Hasina p. 171
Fihirana Vaovao p. 510
Vavaka sy Hira p. 772
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819