Mofo madio tsy misy lalivay

1 - Mofo madio tsy misy lalivay,
No atolotray Anao
Mba ekeo, ry Ray, 'ty tolotray,
Mba ho vatan’ny Zanakao
Ankasitraho tsara sy ovay,
Ho sakafo mahay mampiray
Ho vatan’i Jesoa Kristy,
Hankahery anay
 
2 - Ranomboaloboky ny sahanay,
No inty atolotra anao
Raiso ny divay ary ovay,
Mba ho Ràn’ilay Zanakao
'Lay Rà nalatsany ho avotray,
Ka afoiny eto indray izao!
Hamonjy anay mandrakizay
Ka mba raiso, ry Ray.
 
3 - Ray ô, mba raiso re ny tolotray ;
Fa madio sy mendrika Anao
Mofo sy divay no entinay,
Mba ho tenan’ny Zanakao
Entanin-kafaliana ny fonay,
Tafavory eto anio izao
Akambanay ho fo iray,
Ho Anao, ry Ray.

Nampiditra oliana
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 76
Fihirana Hasina p. 611
Fihirana Vaovao p. 531
Vavaka sy Hira p. 736
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1386