Mino aho, ry Tompo, ampitomboy ny finoako

Mino aho, ry Tompo, ampitomboy ny finoako

Nahary ny tany sy ny lanitra
Ianao Andriamanitra Ray
Mahefa ny zava-drehetra
Teninao ka inoako izany

Ianao no niteraka ny Zanaka
Mpamonjy ny olona nanota
Nitafy ny fomban’olombelona
Naterak’i Maria Virjiny

I Jesoa nijaly novonoina
Fa nitsangana tamin’ny maty
Ka mitoetra eo anilan’ny Ray
Mandidy ny zava-drehetra

Izaho mino ny Fanahy Masina
Ny Eglizy naorin’i Jesoa
’Zay rehetra ampianarin’ny Eglizy
Ny fiainana mandrakizay

Nampiditra ari.malala
Fihirana Dera p. 269
Fihirana Hasina p. 160
Fihirana Vaovao p. 349
Vavaka sy Hira p. 709
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155