Jereo tsara an-tampon'i Kalvery

1 - Jereo tsara an-tampon'i Kalvery
Jesoa mijaly sy mahafoy ny ainy.
Jereo tsara Maria be alahelo
Mitomany mibanjina Azy. (2)
 
Fiv :
Mpanjakan'ny martiry, ny fahotanay ratsy
No mampijaly Anao toy izao :
Miombona alahelo aminao izahay,
Mifona, mivalo, mba iantrao 'zahay.
 

2 - Maria mahita ny fehiloha tsilo,
Sy miaramila mikapoka an'i Jesoa
Ary kapaoty fanarabiana Azy :
Alahelo tsy hay lazaina. (2)
 
3 - Indro i Jesoa madiva hiala aina
Manopy maso ity Reny malala :
Reniny kosa, am-pijerena Azy
Hila ho faty, fa maty i Jesoa. (2)
 
4 - Rahona mainty, rahom-pahafatesana
Manaron-tava ilay Virjiny masina;
Ary lefona natsindrona an'i Jesoa
Maninteraka ny fony koa. (2)

5 - Inty ambany hazofijaliana
I Maria Reny miampofo an'i Jesoa:
Moa misy alahelo toy izany?
Manatòna hiaraka ory. (2)

6 - Aoka isika zanany hitomany,
Hanatona azy, hitsotra sy hifona,
Ary hanala alahelo ny Reny
Amin'ny fitiavana azy. (2)

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy
Fihirana Dera p. 112
Fihirana Hasina p. 546
Fihirana Vaovao p. 395
Vavaka sy Hira p. 687
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233