VAVAKA FIOMANANA amin'ny famangiana apostolika ataon'ny Papa Ray Masina Fransoa - Septambra 2019

Ry Andriamanitra Rainay ô,
misaotra Anao izahay fa tsy mitsahatra maneho ny famindramponao Ianao.
Naniraka an'i Jesoa Zanakao Ianao nitory ny Evanjely ka namonjy
sy nanavotra anay hiala amin'ny gejan'ny fahotana mamatotra sy mampahory anay.
Niantso sy naniraka mpianatra Izy.
Tianao hanenika ny isan-tokatrano ny hafaliana entin'izany Evanjely izany.
Nahazo tombony tamin'izany ity tanindrazanay ity
tamin'ny alalan'ireo misionera tonga taty aminay.
Telopolo taona lasa izay, namangy anay ny Papa Joany Paoly faharoa,
dimbin'ny Md Piera Apôstôly,
efa tonga olomasina ankehitriny.
Ho avy hamangy anay ny Papa Fransoa,
hankahery ny vahoakanao eto amin'ity Nosy malalanay ity
ary hamafy fiadanana sy fanantenana.
Mankasitraka sy mankatelina Anao izahay noho izany fahasoavan-dehibe izany.
Fantatrao fa mangetaheta fihavaozana ny firenenay
izay misedra fahoriana maro lafy.
Koa iraho ny Fanahinao Masina
hanokatra ny saina sy ny fo amam-panahinay,
hanampy anay hahatsapa ny haratsianay sy hitondra anay amin'ny fibebahana.
Enga anie izao fitsidihana apôstôlika ataon'ny Papa Fransoa izao
hampiombona anay Aminao
ka hitondra vokatsoa betsaka amin'ny fiainan'ny Eglizy eto aminay
miombona amin'ny Eglizy eran-tany sy ny fiainan'ny firenenay.
Amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.
Amen.
*Voninahitra anie......
*Masina Maria, notorontoronina tsy azon-keloka mpiaro an'i Madagasikara
-Mivavaha ho anay izay mangata-bonjy Aminao.
*Md Jacques Berthieu: mivavaha ho anay.
*Victoire Rasoamanarivo, olotsambatra: mivavaha ho anay.
*Raphael Louis Rafiringa, olontsambatra: mivavaha ho anay.
*Jean Beyzim, olontsambatra: mivavaha ho anay.
* Lucien Botovasoa, olontsambatra: mivavaha ho anay.

 

Nampiditra j_rahasa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854