Vavaka ho an'ny Fandriampahalemana

Ry Andriamanitra Rain’ny Famindrampo ô,

Noharianao ho iray fianakaviana aminao izahay,
Ary tsimbininao hatrany hiadana sy ho finaritra.

Tsy nahay namaly fitia anefa izahay indrisy,
fa nanalavitra Anao ka latsaka an-katerena.

Very fanahy mbola velona ka zoim-pahoriana,
rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina,
mijaly sy misara-bazana ny fianakaviana,
revo ao anatin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro,
ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao
mamitaka sy mandainga ary mahavatra mandatsa-dra aza.

Mitodika aminao anefa izahay Ray ô, ka mifona ary avelao heloka.
Ahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny,
antokin’ny fandriampahalemana.

Amparo ny tananay hifandray amin’ny hafa hampanjaka ny fihavanana,
Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza,
Hazavao ny fiaraha-monina misy anay hahay handray Anao, fihavanana.
Rotsahy ny tso-dranonao ny fiainanay,
omeo ny Fanahinao hiady amin’ny ratsy.

Miaraka amin’i Masina Maria,
Renin’i Jesoa sady Reninay,
Mpanjakavavin’ny fiadanana izahay,
no mitalaho izany Aminao.

Amen

Nampiditra j_rahasa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093