Vavaky ny mpianakavy isan’andro

Ry Jesoa be fitiavana indrindra,
izay nanamasina ny fianakaviana voafidinao tety an-tany,

tamin’ny hatsaram-panahy tsy hay lazaina,
sy ny oha-pitondran-tena nomenao tao an-trano,

mba topazo fijery antra ity fianakaviana
miankohoka eto an-tongotrao,
mihanta mba hosoavinao.

Ka tsarovy fa Anao ity fianakaviana ity,
noho izy namehy sy nahafoy tena ho Anao.

Koa aoka mba:
harovan’ny hatsaram-ponao izy,
-  
hafahanao amin’ny loza,
hovonjenao amin’ny maha-ory
ary mba homenao ny herim-po ilainy
haharetana hatramin’ny farany

amin’ny fanarahana ny fianakavianao masina,
ka rahefa nifikitra tamin’ny fanompoana
sy ny fitiavana Anao izy, nandritra ny andro niainany,

dia hahazo hankalaza Anao mandrakizay any an-danitra.
Ry Maria masina, tsara fo indrindra,
mihanta ny fiarovanao izahay,

fa matoky fa tsy ho hain’ny Zanakao lavina ny fangatahanao.
Ary ianao koa, ry Josefa masina,
Patriarka be voninahitra,
mba tahio amin’ny fiarovanao mahery izahay,

ary atero eo am-pelatanan’i Maria ny vavakay,
hatolony an’i Jesoa Kristy.

Amen.

Nampiditra j_rahasa
Vavaka sy Hira p. 50
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463