Ny sambokelinay etý mitety ranobe,

1 Ny sambokelinay etý
Mitety ranobe,
Misononoka ho ery
An-dafin’ony be (in-3)
Misononoka ho ery, sns.

2 Ny rivo-doza tsy hanjo,
Fa Jeso aminay;
Ny alondrano mankato
Ilay maherinay (in-3)
Ny alondrano mankato, ..sns.

3 Mamaky onja izahay
Fa tsy ho faty eo ;
Ny fitodian-tsambonay,
He ! tazanay izao (in-3)
Ny fitodian-tsambonay, ..sns.

4 Irinay ny ho tonga ao
Hilaozanay ity ;
Mitsena anay tokoa izao
Ny zokinay ary (in-3)
Mitsena anay tokoa izao, ..sns

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 439
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009