Ny Ran'i Jesoa Zanak'Andriamanitra no manadio antsika - Izao no nohafaran'i Jesoa Kristy

1. Izao no nohafaran'i Jesoa Kristy,
Ka ambara anaraeo fa izahay no nandre:
Andriamanitra dia Fahazavana
Tsisy haizina akory ao aminy,
Tsisy haizina akory ao aminy.

Ny Ran'i Jesoa Zanak'Andriamanitra no manadio antsika,
Ny Ran'i Jesoa Zanak'Andriamanitra no manadio antsika,
no manadio antsika.

2. Raha toa, sanatria, ka milaza isika
Fa hoe miombona amin'ny Tompo Andriamanitra
Nefa isika mandeha amin'ny maizina
Dia mandainga, tsy manao ny marina,
Dia mandainga, tsy manao ny marina.

3. Raha ny mazava no izorantsika
Toa Azy ao anaty Mazava hatrizay,
Dia miombona samy isika
Ary diovina amin'ny fahotan-drehetra,
Ary diovina amin'ny fahotan-drehetra.

4. Fa raha miaiky heloka kosa isika,
Mahatoky sy marina Izy Tompo Andriamanitra,
Ka hamela ny fahotantsika
Sy handio ny hadisoantsika,
Sy handio ny hadisoantsika.

Nampiditra j_rahasa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094