Kristy no hazavana manilo firenena

Kristy no hazavana manilo firenena,
Voninahitra ho an'i Israely,
Mpanavotra antsika.
 

1 'Zao vao alefanao am-piadanana (ny mpanomponao)
 Araka ny teninao, ry Tompo.
 2 Ny masoko mahita ny famonjena (famonjenao)
 Avy aminao anie, ry Tompo.
 
3 'Zay namboarinao sy nirahinao (sy nirahinao)
 Ho an'ny firenen-drehetra, ry Tompo.
 4 Dia fahazavana hanilo re ('reo tsy mpino be)
 Sady voninahitra ho an'i Israely.
 
5 Ho an'ny Ray anie sy ny Zanaka (voninahitra)
 Ary koa ho an'ny Fanahy Masina.
 

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 249
Vavaka sy Hira p. 436
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842