Ry Rainay ao an-danitra ao

1. Ry Rainay ao an-danitra ao,
Misaotra anao ny zanakao,
Fa velona aina tafahaona,
Afa-midera ny anaranao.

Ka raiso re ny sorona atolotray :
Kristy, ary izahay manolo-tena,
Vavolombelon'ny fitiavanao e
       (fitiavanao e)
Vavolombelon'ny fitiavanao e

2. Ry Rainay ao an-danitra ao,
Ifonanay ny andro lasa:
Ampio izahay e ho tia anao,
Te hampanjaka ny anaranao

3. Ry Rainay ao an-danitra ao,
Mba raiso re 'zao fikasana:
Jesoa Kristy  e tsy avelanay
Hiasa  irery manompo anao.

4. Ry Rainay ao an-danitra ao,
Jesoa Kristy no fiainanay:
Hasehonay ny fitiavanao,
Hamonjena 'zao tontolo izao.

5. Ry Rainay ao an-danitra ao,
Faly izahay notiavinao:
Velominao, arovanao,
Ho any am-paradisa mandrakizay.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 174
Fihirana Vaovao p. 463
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0586