Nony tonga teto an-tany (zafindraony)

Bass voalohany : Nony tonga teto an-tany tokoa ny Tompo,

Dia nihorohoro ny vahoaka rehetra

Ny mponina mipetraka ao Betilehema,

Raha nahita ny Kintana izay nataony famantarana

Vehivavy : Ô rahefa nahare izany, ny vahoaka rehetra e !

Dia lasa izy nakany Betilehema

Raha nahita ny Kintana, tamin’ny misasak’alina,

Sy ireo Mpanjaka telo lahy avy any antsinana,

Fa izy no nahalala fa ny Tompo izao tonga izao,

Dia nandroso izy mba hitsaoka azy,

Amin’ny fony masina.

Bass faharoa : Ô rahefa tonga àry ny Tompo, tamin’izany andro izany,

Dia taitra sy nihorohoro ny vahoaka rehetra, ka nilaza hoe :

Ô aiza izany Mpanjakan’ny Jody, mba hitsaoka Azy izahay.

Face vehivavy : Ny hatsaran’ny lanitra (in-2)

No hiantsoana ny olombelona ô, ô, ô, ô,

Mba hiaraka aminy ho any an-danitra ny olombelona ô,

Face lehilahy : Nanahaka ny fomban’olombelona (in-2)

Nidina teto an-tany ô, ô, ô, ô,

Mba hanetry tena Izy

Adin-kira : Ô rahefa naraina ny andro,

Nifamonjy nijery ny olona rehetra e,

Fa ny sasany kosa dia naneso ny Tompo hoe :

“Ah I e, e, e, aiza e, e, e, !

“Aiza ny Mpanajaka no teraka any an-tsaha ?

“Aiza ny Tompo no ao anaty tranon’omby ?

“Fiheverana Azy dia ny Seza volamena !

“Fiheverana Azy dia ny trano madio,

“fihverana azy tsy hitovy aman’olona.

Ah I e, e, e, e kanefa ô, ô, ô,

Ny Herin’ny Tompo tsy mba tratran’ny sain’olombelona. 

Nampiditra Solofo74
Sokajy Noely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1472