Raha mifankatia isika

1 – Raha mifankatia isika
      Dia hiova lanitra vao, izao fiainana izao
      Koa ampanjakao ilay fitia
      Dia ho sambatra isika raha mifankatia

Dia ilay fitia ô ô ô, dia ilay fitia ô ô ô
Dia ilay fitia namoizany ny ain'Izy Tompo
Tsisy mitia ô ô ô, tsisy mitia ô ô ô
Afa-tsy izay mahafoy ny ainy ho an’ny tiany

2 – Ianao ‘zay milaza fa mamy ny fitia
      Moa ve mba fantatrao ‘zao fiainana ‘zao ?
      Koa ampanjakao 'lay fitia
      Dia ho sambatra isika raha mifankatia

3 – Ianao 'zay mitory fa mamy ny fitia
      Aza atao kobakam-bava fotsiny ireny
      Fa tsisy hafa-tsy ny fitia
      No afa-manova ity tany ity

Nampiditra Solofo74
Fihirana Hasina p. 834
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096