Aleo very tsikalakalam-bôla

Joseph Justin

Aleo very tsikalakalam-bòla an à ! à !
Toy izay very tsikalakalam-pihavanaña
Arolahy mandaiha añatiala havako ô ! ô ! ia !
Izy tokiko, ‘zaho tokiny e !
Izany no òhabòlaña ny Antahölo ô ! ô ! ia !
‘Zay mifañaraka amy didy tòkan’i Kristy e e ia !
Mandidy antsika hifankatia i Kristy e e ia !
Mba hihavaña aby ny ôlo jiaby eto an-tany e e ia !

Mifankatiava e e ià !
Karaha nitiavako are ô !

‘Zany ny hafatra nentin-drazaña e e ia !
‘Zay navaôziñy ( sy ) namasininy e ia !
‘Zany ny didin’i Kristy e ia !
‘Lay fitiavaña tsisy tahôla atsipy e e ia !
Mahaiza mifanôhana e ia !
Mahaiza mifampizara e ia !

Mahaiza mifamela e ia !
Na amin’ny fiaraha-moniñy an-tanaña e e ia !
Na dia amin’ny fahavalo ô ia !
Na amy samby kristianiny e ia !
Fa ôloño araiky atsika jiaby io ô !
Satria samby zanaka Zañahary e ia !

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 328
Fihirana Hasina p. 753
Karine Dera p. 406
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219