E ! Voninahitra

(Joseph Justin)

E ! Voninahitra e ià e !
Voninahitra ho an’Andriamanitra,
E ! Fiadanana e ià e !
Fiadanana ho an’ny olona,
Voninahitra à , !
Voninahitra ho an’Andriamanitra,
Fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany e !
Ho an’ny olona tsara sitra-po.

Voninahitra anie ho Anao (in-4).

Midera Anao ‘zahay e ià !
Mankalaza Anao izahay e ià !
Mitsaoka Anao e ià !
Mihoby ny hasinao ‘zahay e ià !
Misaotra Anao ‘zahay e ià !
Ô noho ny haben’ny voninahitra ô !

Ry Tompo Andriamanitray e ià !
Mpanjakan’ny lanitra e ià !
Ianao mahefa ny raha jiaby e ià !
Ry Jesoa Kristy e ià !
Zanaka Lahitokana e ià !
Ry Tompo Andriamanitray ô !

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra e ià !
Ianao no Tomponay e ià !
Zanaky ny Ray e !
Ry Jesoa Kristy e ià !
Talañolon-Jañahary e ia !
Ry Tompo Andriamanitray ô. !

Manala ny fahotan’izao tontolo ô ià !
Ka mamindrà fo aminay e ià !
Manala ny fahotan’izao tontolo ô ià !
Ka raiso ny fifonanay e ià !
Mipetraka eo an-kavanan-dRay e ià !
Ka mamindrà fo aminay e !

Ianao irery no Masina e ià !
Ianao irery no Tompo e ià !
Ry Jesoa Tomponay ô !
Miaraka amin’ny Fanahy Masina e ià !
Ao amin’ny voninahitra e ià !
Andriamanitra Ray e !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 244
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0294