Voninahitra

(André Besabotsy)

Voninahitra,
Voninahitra ho an’Andriamanitra,
Fiadanana,
Fiadanana ho antsika eto an-tany,
Fa nanehoany ny fitiavany.

Midera Anao izahay, voninahitra ho an’Andriamanitra,
Mankalaza Anao izahay,
Mitsaoka Anao izahay,
Mihoby ny hasinao izahay,
Misaotra Anao izahay,
Ry Tompo Andriamanitray,
Mpanjakanay Ianao,
Mahefa ny raha jiaby,
Ry Jesoa Kristy Tompo, …..
Zokinay Ianao.

Ambony indrindra Ianao,
Ka omem-boninahitra,
Mpamindra fo Ianao.
Mipetraka ankavanana’ny Ray.
Miaraka amin’ny Fanahy Masina.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 242
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942