Ry alina Masina

(Auguste Roby)

Ry Alina masina tao Betlehema,
No nahaterahan'ny Mpamonjy.
Ny Anjely any an-tsaha dia velon- kira :
Ny voninahitry ny Ray.

Voninahitra, Voninahitra !
Ho an'Andriamanitra any an-danitra,
Fiadanana, fiadanana !
Ho an'olombelona ety an-tany ety.
« Mpamonjy no teraka ho anareo anio
Any an-tananan'i Davida, dia i Kristy Tompo.
Izao no hahafantaranareo Azy :
Hahita zazakeky anankiray voahodidina lamban-jaza
Sady mandry eo aminà fihinanam-bilona ianareo »
-- (Lk.2, 11-12).
-- Andao ! Andao isika e !
-- Andao ! Andeha hitsaoka
-- Hitsaoka an'i Mesia
-- Fa teraka i Kristy.

Anio mifalia ry zavaboary,
‘Zay manan'aina rehetra.
Fa teraka ho antsika Ilay Mesia.
Ilay voahosotry ny Ray.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 197
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097