Mb Masimbavy Terezy - Nanokan-tena Izy ho an’ny Ray

(Izahay tsy hitsahatra hidera anao
Nohon’ny soa nafafinao Andriamanitra,
Fa ‘lay Olomasina hotahafinay
Voafidy hiaro ny Fiangonanay.

Nanokan-tena Izy ho an’ny Ray,
Fa fitia ilay tena tia nambabo azy ;
Fiainana vontom-pinoana
Manetry tena malemy fanahy.
Ry Mb Terezy ô !
Ampio ‘zahay mba ho tia tanteraka
Ny vavaka izay asandratrao
No hamelombelona ny finoanay.

Ny fahazazan’i Jesoa no tarafiny
Fa fitia niainany, filamatra
Nihamasina isanandro ny fiainany.
Izahay koa ampio haka tahaka.

Izahay tanora vao misondrotra,
Zarazarao fahasoava-mahamasina;
Olombelona izahay nofo aman-dra,
Ka raha tsy ny herin’izy Ray dia ho rendrika.

Feon’olon-tokana +3è

- Ray masina ô !
Ray fitiavana,
Ny toetrany,
Fitiavana iainanay amin’ny Fiangonana.

- Soa fianatra
Filamatra;
Ny toetrany,
Fitiavana harahinay tahaka.

Omeo hery vao
Ho masina.
Ny toetrany,
Fitiavana masina tsy handrendrika.

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 170
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1754