Ry Fo Masin'i Jesoa

(Omer)

Ry Fo Masin'i Jesoa, ( in-2 )
Fo Mpanavotra ;
Ry Fo Masin'i Jesoa, ( in-2 ).
Fo fanaperana amin’ny Fitiavana.

Mibaribary ny Fitiavanao tsy mahalala sasatra,
Nasehonao tamin'ny olona rehetra.
Ka mba hitako e ! Ry Fo Masina ô !

Tsaroana ny Ranao Masina nanavotanao anay,
Ny famindram-ponao tsy lany na oviana.
Ka mba tsaroako e ! Ry Fo Masina ô !

Inty ny aiko manontolo : ny fanahiko, ny tenako,
Ny teniko, ny asako sy ny fijaliako.
Ka mba atolotro e ! Ry Fo Masina ô !

Omeko Anao izay kely mba ananako :
Ny foko, ny fitiavako;
Diovy, hamasino ny fiainako tontolo.
Ka mba raiso re ! Ry Fo Masina ô !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 154
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.047