MANAMBATRA ANTSIKA NY FITIAVANA

(Wanghou Jean Claude)

I eee, ie eee, manambatra antsika e ny fitiavan’ny Ray e
I eee, ie eee, manambatra antsika e ny fitiavan’ny Ray e

Andriamanitra nampisy antsika
Nampisy koa ny fitia
Manambatra antsika e ny fitiavan’ny Ray e

Didy napetraka Zañahary
Mañanatra antsika hifankatia
Manambatra antsika e ny fitiavan’ny Ray e

Izaho sy ianao mifandray tanana
Mariky ny fo mifankatia
Manambatra antsika e ny fitiavan’ny Ray e

Kristy modely arahintsika
Namoy ny ainy ho an’ny fitia
Manambatra antsika e ny fitiavan’ny Ray e
-Ny fitiavan’ny Ray e e e e e

-Ny fitiavan’ny Ray e e e e e
Manambatra antsika tsirairay e
Loharanon’ny manan’aiña jiaby e
Fialofan’ny olona malahelo
Manambitamby an’izay mijaly.

Nampiditra admin
Sokajy Fitiavana
Antsao ny Tompo p. 143
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147