Ilay fahasoavan’ Andriamanitra

(Lili)

Ilay fahasoavan’Andriamanitra Ray e !
Dia efa nomeny antsika e !
Efa natolony antsika
Fa isika no tsy nandray azy e !

Ambony indrindra ny fitiavana, tsy nandray isika.
Andriamanitra te-hihavana, tsy noraisintsika
Nomeny ny Fanahy manan-kery,
Hery tari-dalana ô !
Tsy foin’ny Ray mba hisy ho very
Amin’ny fiainan-tsy hita ô !
Tsy mandray ny haren’Andriamanitra isika.

Fara-fitiavan’ Andriamanitra Ray e !
No nanolorany ny Zanany e ! ia !
Fa efa very isika no navotany
Tamin’ny rany.

Nampiditra admin
Sokajy Fitiavana
Antsao ny Tompo p. 141
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093