Fitiavana

(Mathieu)

Ny feoko miantsa,
Ny foko feno hira :
Fiderana an’Izy Ray Nahary,
Fitiavana !

Fa efa tia aho,
Iainako ilay fitia,
‘Lay mahay mifamela hadisoana
Fitiavana !

Mahamenatra natiora
Izay fitia andrankandrana,
Fa fiainana voasedra tanteraka
Fitiavana !

Fa voninkazo iray mivelatra aho Ray ô !
Tarafin’ny hazava-masoandro
Na atopatopan-drivodoza
“Tsy folaka miarina, mandefitra’’.

Nampiditra admin
Sokajy Fitiavana
Antsao ny Tompo p. 141
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013