Finoana koa tsy arahin'asa

(Jean Louis Tombolaza)

)

Finoana koa tsy arahin'asa e
Finoana maty izy io ô !(Jak 2, 17) in-2.

Izay manam-pinoana, mahafindra ny tendrombohitra e !
Finoana veloña io e !

Izay mino ahy ka hatao batemy e !
Dia ho voavonjy izy e ! (Mt 16, 16).

Izay mino ahy na dia maty aza,
Mbola ho velona izy e ! (Jn 11, 25).

Finoana : Maty sy nitsangan-ko velona
No fototry ny finoantsika e ! (1 Kor 15, 3-5).

Raha tsy mitsangana ny Tompo ô !
Dia foana ny finoanay e ! (1 Kor 15, 14).

Finoana amy fo no ahazoana ny fahamarinana e !
Sy ny famonjena antsika e ! (Rm 10, 10).

Ny hatsaram-panahy voafintina amy teny telo ô :
Finoana - Fanantenana - Fitiavana a ! (1 Kor 13, 13).

Nampiditra admin
Sokajy Finoana
Antsao ny Tompo p. 140
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799