(Homba anao hatrany ilay Fanahy Mpankahery,
Hanitatra ny Fanjakan'Izy Tompo,
Fa Izy no niantso sy nifidy anao,
Ho tonga fanasin'ny tany tontolo
Indro irahiko ianao hitondra ny hafatro,
Ho an'ny vahoaka eran'ny vazan-tany,
Ambarao azy ireo ny fitiavako:
Ataovy mpianatro ny olon-drehetra.
Ianao no voafidy tao anatin'ny maro,
Hitondra ny Teniko eran-tany tontolo,
Nasandratry ny Fiangonana ianao,
Ho tonga mpanompo mahatoky azy ireo
Nantsoiko ho mpisoron'ny Avo indrindra ianao,
Nanaiky am-pitiavana ny Teniko,
Handray ny madinika, hanampy ny ory,
Tsy tonga hotompoina fa tonga hanompo.