Tafatsangana tamin'ny maty i Kristy

Tafatsangana tamin'ny maty i Kristy, Aleloia,
Ka derao, omeo voninahitra Izy, Aleloia
Fa nandresy, ka hobio, Aleloia, Aleloia.

1. Faly mihoby ny tany aman-danitra,
    Mankalaza ilay Tompon'ny aina,
    Mankalaza an'Andriamanitra, Aleloia.

2. Mihobia, mifalia, ry ambany lanitra,
    Fa nandresy ny Tompo mahery,
    Ka derao Andriamanitra, Aleloia.

3. Eh! redony ny hira fiantsàna,
    Hiderana ny Tompo Mpanjaka,
    Hiderana an'Andriamanitra, Aleloia.

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Fihirana Dera p. 118
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089