VAVAKA HO AN’NY FAHA-150 TAONA - EKAR Anjely Mpiambina Anosivavaka

VAVAKA HO AN’NY FAHA 150 TAONA
Ry Andriamanitra Trinité Masina ô !
Fandaharam-pitiavanao no mandavorary ny zavatra rehetra
ary famantarana izany fitiavanao izany
ny Fiangonanay mijoro amin’ny finoana
tao anatin’izay 150 taona izay. 
Misaotra Anao izahay
noho izao fahatratraranay ny jobily izao. 
Misaotra anao izahay
fa mbola velominao hatrany
haha-famantarana anay amin’ireo taranaka ankehitriny
ary ny Anjely Mpiambina izay mpiaro anay
no manampy anay hijoro amin’izany finoanay izany. 
Apetrakay eo am-pelatananao izao fankalazanay ny jobily izao
ka italahoanay fahasoavana Aminao:
hanovozanay fahamasinana,
hampitomboanay ny finoanay
ary handraisanay anjara amin’ny iraka
fanitarana ny fanjakanao
noho ireo sori-dalana pastoraly iainanay. 

Manatanteraka izany izahay
maneho ny finoanay,
ka hiezaka hazoto mandrakariva
amin’izay itarihan’ny Fanahy Masina anay
amin’ny alalan’ny Eglizy Reny. 
Ampio izahay hanorina ny trano
ho tsangambaton’izany jobily izany
ary enga anie ny fahasoavanao tsy hahasaraka anay hatrany. 
Tsy hahasaraka anay hatrany koa anie
ny fitantanan’i Maria Reny
manampy anay hijoro hatrany miaraka Aminao. 
Ianao izay velona
sy manjaka amin’ny taona mandrakizay
no angatahanay izany.
Amen 

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0837