Omenay voninahitra

     Omenay voninahitra e,
     Omenay fanajana e
     Ianao, ry Tompo Andriamanitra,
     Ianao ilay Avo indrindra.
Omeo anay kosa
Ny fiadanana ety an-tany,
Ny fiadanana ho an'ny olombelona,
Ny fiadanana sy ny famindram-po.
 
1 Ho an'ny Ray ny dera sy ny laza,
 Mpanjakan'ny tany aman-danitra,
 Mpahary an'izao tontolo izao.
 
2 Ho an'i Jesoa Zanak'ondrin'Andriamanitra,
 Manala ny fahotan'ny olombelona,
 Ilay Tompo, 'lay Zanaky ny Ray.
 
3 Ianao, ry Tompo, no Avo indrindra,
 Ianao miaraka amin'ny Fanahy:
 Anao irery ihany ny voninahitra.
 
 

 
Nampiditra Belle
Sokajy Voninahitra
Fihirana Hasina p. 789
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093