Tompo ô, tsarovinao

1 Tompo ô, tsarovinao
 Fa ianao namonjy anay,
 Aoka re ny ranao masina
 Tsy ho very an-tany foana.

Ka vonjeo ny havanay;
Amindrao fo ireo fanahy
Miandry hovotsoranao.
Tompo ô, henoy ny antso.

2 Maria ô, tsarovinao
 Fa ianao no Reninay;
 Ianao no hany tokana
 Itokianay rehetra.


 


 

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 732
Vavaka sy Hira p. 557
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.061