Tompo ô, omeo fiadanana mandrakizay

Tompo ô, omeo fiadanana mandrakizay
Ny mpino rehetra efa nodimandry.
 
1 Hanilo ny tavany anie, ô ry Tompo,
 Ianao Andriamanitra fahazavana.
 
2 Afaho, ry Tompo, izay mbola mijaly,
 Manonitra ota ao anatin'ny afo.
 
3 Iraho ny tafiky ny anjely maro
 Hitsena ny diany ho am-paradise.
 
4 Tsy maty, ry Tompo, fa miova fiainana
 Ny mpino rehetra miray aminao.
 
5 Hidera sy hihoby ny Ray ao ambony,
 Hiventy ny hiran'ireo olomasina.
 
6 Ianao no fiainana sy fananganana,
 Ka mino izahay fa hitsangan-ko velona.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 160
Fihirana Hasina p. 730
Fihirana Vaovao p. 276
Vavaka sy Hira p. 555
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154